Fiangonana Shincheonji

Fahombiazana tanteraka ny seminera tao Parisy


  • Alakamisy 20 Jona 2024

taorian'ny seminera mikasika ny faminaniana sy ny fanatanterahan'ny bokin'ny Fanambarana tany Asia,

Filipina ny volana Aprily lasa teo dia nitohy tao Eoropa, Lafrantsa indray izany ny faha 15 Jona lasa teo, hoy ny fampitam-baovao. Maherin'ny 7000 ireo tonga nanatrika izany ary pasitera no 1000 tamin'izany. "Tanteraka ny asan'Andriamanitra rehetra amin'ny alalan'ny bokin'ny Fanambarana, mila mahalala avokoa isika hoe iza no tiana ambara amin'izay voasoratra rehetra ao anatin'io boky io, maniry aho mba hahazo ny hevitr'izany boky izany avokoa ny pasitera rehetra ary hampianatra ireo mpino mpikambana ao aminy, tsy manampy na manaisotra amin'izany bokin'ny Fanambarana izany" hoy ny mpitarika ny fiangonana Lee Man Hee. Pasitera maro maneran-tany noho izany no manana hetaheta lalina ankehitriny ny hahafantatra misimisy koa momba ny fampianaran'ny fiangonana Shincheonji mikasika ny bokin'ny Fanambarana. Ho setrin'izany fangatahana izany dia efa manomana toerana sy programa ny fiangonana Shincheonji izay hahafahan'izy ireo mianatra ary ihany koa ny hanetsika ny ivon-toerana misiona Ziona manerana an'i Eoropa. Ankoatra izay dia manomana seminera ihany koa ny Shincheonji amin'ny faran'ity taona ity izay hanasana ireo pasitera maneran-tany any Korea. Amin'ny alalan'izay hetsika izay dia manana vina ny Shincheonji ny hanangana sehatra iray an-tserasera izay hahafahantsika ho tonga iray miaraka amin'Andriamanitra sy ny Teniny, hoy ny fampitam-baovao voaray.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT