Finoana

Fiangonana protestanta Malagasy any andafy “Tsy ekena ny fanambadian’ny mitovy fananahana”


  • Zoma 28 Septambra 2018

Mandalo eto Madagasikara ny solontenan’ireo mpino Kristianina avy eo anivon’ny fiangonana protestanta Malagasy any andafy na ny FPMA.

 

 

 Ho fampahafantarana ity fikambanambe hankalaza ny faha-60 taonany afaka 2 taona ity, raha ny fanazavana, no tena tanjon’izao diany izao. Nohazavain’ny filohan’izy ireo tetsy amin’ny foibe Frienjy tetsy Faravohitra, Ny reverand Dr Jean Ravalitera, omaly fa ny taona 1960 no nekena ho fiangonana ny FPMA ary tafiditra anatin’ny fiangonana protestanta eto Madagasikara. Izy ireo ihany koa no mijoro ara-dalàna ho fiangonana Malagasy ao Frantsa amin’ireo 7 isa mitonona ho izany amin’izao fotoana. 40 tafo ny FPMA mijoro ao Frantsa ary efa mielipatrana amin’ireo firenen-kafa maro toa an’i Côte d’Ivoire, Italia, Norvezy, Rosia, Alemana, Kanada ny fiangonana ary mikambana amina rafi-piangonana iraisam-pirenena maro. Tanjona ny hampiray ny fiangonana protestanta rehetra eo amin’ny sehatry ny fitoriana ny filazantsara, araka ny tenin’ny soratra masina hoe “Mba ho iray ihany izy rehetra.”, hoy izy ireo. Nomarihin’izy ireo fa tsy manaiky ny fanambadian’ny mitovy fananahana izy ireo satria lavin’ny soratra masina izany.  Na izany aza anefa, hoy ny fanazavana, dia manana adim-panahy hatrehina ireny olona ireny ka anjaran’ny fiangonana no mitantsoroka azy mba hiverenany amin’ny lalana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Mikasika ny raharaham-pirenena kosa dia tsy miditra amin’ny resaka politika izy ireo saingy mitondra am-bavaka izany satria Andriamanitra ihany no mandahatra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT