Fiangonana Misiona FMTA

Tontosa ny « recyclage pastorale » lehibe sy fandraisana mpiandry 34


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Fotoan-dehibe ho an’ny misiona FMTA ny herinandron’ny 5-11 aogositra teo,

izay nanatanterahana ny « recyclage pastorale » rehetra manerana an’i Madagasikara, ary ny fihaonamben’ny mpiandry manerana ny Misiona FMTA, natao teny amin’ny FMTA Mahalalavolona Vaovao Andoharanofotsy, izay nifarana omaly. Fahatongavana ho an’ny manerana ny Nosy ny alatsinainy teo, ary nosokafana ny 06 aogositra ny fanompoam-pivavahana lehibe sady fanokafana lehibe nihaonana tamin’ny mpiandry sy ny mpitandrina rehetra, izay sady fanompoam-pivavahana lehibe ao anatin’ny fanokafana ny faha-130 taonan’ny Misiona sy ny namoahana tamin’ny fomba ofisialy ny litorjian’ny FMTA ampiasaina manerana ny Nosy ihany koa, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Mpitandrina Ravelomanantsoa Herinjato, Filohan’ny Misiona. Miisa 153 moa amin’izao fotoana izao ny fiangonana eo anivon’ny sahan’ny Misiona FMTA manerana ny Nosy. Ny sabotsy teo kosa no fotoana manokana nandraisana ireo 34 mianadahy mianaka izay nosorana ho mpiandry. Asa miandry azy ireo, dia ny hoe : « andraso ny ondriko, fahano ny ondriko », ka hitandrina sy hiasa amin’ny fitoriana ny filazantsara any amin’ny faritra izay nihaviany, ho fanangonana sy ho famonjena ny fanahin’ireo ondrin’Andriamanitra, hoy ny Mpitandrina Ratolojanahary Jimmy Richard Filoha mpanampy eo anivon’ny Misiona FMTA. Tena fanamarinana ny dia sy fampitoviavana lenta rehetra sy fampiakarana ny fiainam-panahy mba hampiakarana mba hiatrehana ny asa misionary miandry ny Misiona FMTA no natao, antony lehibe nanakambanana ireo mpitandrina rehetra sy ny ùpiandry rehetra nakambana tao anatin’ny fotoana nitovy ny fampiofanana, hoy hatrany ny eo anivon’ny Misiona FMTA.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT