Finoana

Fiangonana METM Zoara Famonjena Antohomadinika Tsy manaiky ny fanalana ny mpitandrina ny fokonolona


  • Alakamisy 08 Febroary 2018

Tsy manaiky ny hanalana ny mpitandrina ao amin’ny fiangonana METM Zoara Famonjena etsy Antohomadinika ireo fokonolona ao an-toerana. Miantso ny hiverenan’ny lehiben’ny fiangonana METM amin’ny fanapahan-keviny izy ireo sady miantso ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ihany koa hijery akaiky ny raharaha.

Tsy mahahenatra ny fiverenana  amin’ny fanapahan-kevitra tahaka izany satria tombontsoa lehibe ho an’ny fiangonana METM  ny fananana pastera mitsinjo ny fiainam-bahoaka iray manontolo toy ny pastera ao amin’ny METM Zoara Famonjena Antohomadinika, hoy Atoa Rafaralahy Rolland, solontenam-pokonolona ao an-toerana. Raha tsiahivina, efa tonga nitondra mpitandrina vaovao sy saika hanala ilay mpitandrina tao an-toerana mihitsy ny foibe ny alahady teo. Tsy tanteraka  anefa izany noho ny sakana nataon’ny fokonolona. Ho an’ireo fokonolona ireo dia tsy nijanona ho mpitandrina ny mpino tsotra fotsiny ity pastera ao amin’ny METM Zoara Famonjena ity fa tena nitsinjo ny sosialim-bahoaka tao Antohomadinika tokoa. Anisany ohatra, ny fananganana  ilay sekoly Fitahiana izay manome saram-pianarana mora ny zana-bahoaka, ny fanaovany fisoratam-panambadiana sy mariazy faobe, ny didim-poitra faobe ankoatra ny fanofanana ny tanora momba ny resaka fananahana….Nisy tampoka anefa ny fanodinkodinam-bola nataona olona teo anivon’ny sekoly Fitahiana ka rehefa niezaka ny nangata-panazavana mikasika izany ny pastera dia fanonganana azy avy hatrany no nataon’ireo olona sasany. Fianakaviana miisa telo izy ireo, raha araka ny fantatra ary voalaza solombavambahoaka HVM no aorian’izy ireo. Na izany aza anefa dia tsy hanaiky hatramin’ny farany ireo fokonolona ao Antohomadinika.

 

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT