Finoana

Fiangonana METM Antohomadinika Raikitra ny savorovoro


  • Talata 13 Martsa 2018

Mihamafy hatrany ny disadisa misy eo amin’ny Komity Foibe an’ny Misiona Teratany Eto Madagasikara (METM) sy ny fiangonana Zoara Famonjena Antohomadinika. Rehefa tsy nahazo rariny teo anivon’ny fitsarana tamin’ny fanesorana ny mpitandrina ao an-toerana mantsy ny foibe dia nikiry nametraka mpitandrina vaovao indray ny alahady teo.

 

 Nanohitra izany hatrany anefa ny fiangonana sy ireo vahoakan’Antohomadinika ka niteraka fitohanana lavareny teny an-toerana mihitsy izany. Na izany aza anefa dia niroso ihany ny foibe ka niafara tamin’ny fivoahan’ny mponina sy ny mpivavaka tany an-tokotany  ny raharaha, narahin’ny filazan’izy ireo fa anisan’ny lahimatoan’ny fampandrosoana an’Antohomadinika ity mpitandrina kasaina esorina ity ka tsy maintsy arovan’izy ireo. Niala maina ny foibe vokatr’izany. Marihina moa fa efa nisokatra omaly ny sekoly Fitahiana mandray ireo ankizy mpianatra eny Antohomadinika rehefa nakatona nandritra ny herinandro. Fanodinkodinam-bola teo anivon’io sekoly io no niandohan’ny olana raha tsiahivina. Amin’ny herinandro kosa no hivoaka ny didy momba ny fitorian’ny foibe ny mpitandrina ao an-toerana.

 

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT