Fiangonana Manamboara vatsy

Nifampiarahaba nahatratra


  • Alatsinainy 02 Febroary 2026

ny taoana vaovao, nandray tso-drano

Nanatanteraka fiaraha-mivavaka tetsy amin`ny Kianja mitafo Mahamasina ireo mpino avy amin`ny fiangonana Manamboara VATSY eto Antananarivo sy ireo solotena avy any amin`ny faritra. Tsy nahasakana azy ireo ny fisin`ny rivo-doza izay mandalo eto amintsika amin`izao fa dia tonga maro ireo avy amin`ny faritra ary saika nahatonga solotena avokoa. Fotoam-bavaka nandraisana tsodrano, entina miatrika ny taona vaovao 2026 ity natao ny faran`ny herinandro teo ity. « Zava-mahery avy amin`ny vavan`ny Mpaminany ny tsodrano ka hanova sy hanokatra lalam-piainana vaovao raha toa ka raisina amin`ny finoana », hoy ny evangelistra nitarika ny fotoana. Manoloana ny olana izay atrehana amin`ny andavanandro sy ireo ady ara-panahy samihafa dia mila tsodrano sy fampaherezana ihany koa ny zanak`Andriamanitra ka izay ihany koa no isan`ny anton`ity fotoan-dehibe ny 31 Janoary teo ity, hoy hatrany ny fanazavana. Efa manenika an`i Mdagasikara ankehitriny ny Fiangonana Manamboara vatsy. Raha ny eto Antananarivo fotsiny dia latsaka kelin`ny 100 ireo zana-piangonana ary efa misy tahaka izany ireo faritany enina. Efa manana onjam-peo ihany koa izy ireo ampiasaina amin`ny fitoriana filazantsara sy Hananganana ny Fahamarinana efa rava ,araka ny teny filamatry ny fiangonana. Nitondra ny tenin`Andriamanitra sy ny tsodrano nandritra io fotoana io moa ny Evangelistra Maminirina Rolland Guy.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT