Finoana

Fiangonana manamboara vatsy Mpitandrina fito mianadahy no nosorana ho misionera


  • Talata 02 Oktobra 2018

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fankalazana ny tsingerin-taona fahafolo niorenan’ny fiangonana « Manamboara Vatsy » notanterahina teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano.

 

 Nosantarina ny sabotsy 29 septambra tontolo andro ny fankalazana tamin’ny fanosorana ny Révérend Andriamahefa Vola sy ireo Loholona 8 mianadahy ary fanokanana Diakona miisa 33. Hiara-kiasa amin’ny Evanjelistra Maminirina Roland Guy amin’ny fanatanterahana ny asan’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana izy ireo. Notohizana ny alahady 30 septambra ny fankalazana ka mpitandrina fito mianadahy no nohosorana ary Misonera 13 sy Mpiandry 25 no notokanana. Marihina fa ireo Mpiandry ireo no miasa ao anatin’ny Sekoly Fanasitranana izay hitsaboana ireo olona manana olana na koa hampahorian’ny fanahy ratsy isaky ny talata sy alakamisy ao amin’ny foiben’ny Fiangonana « Manamboara Vatsy » etsy Andranobevava. Mampiavaka ireto nohosorana sy notokanana tamin’ny alahady ireto raha oharina amin’ireo tamin’ny sabotsy dia izy ireo hiasa ivelan’ny fiangonana handeha hanao tafika masina. Tafiditra ao amin’izay fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra izay ihany koa ny nananganana ny “Emmanuel radio” efa miparitaka amin’ny faritra hafa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT