Finoana

FIANGONANA MANAMBOARA VATSY Hankalaza ny fahafolo taona niorenany


  • Talata 18 Septambra 2018

Feno folo taona sahady ny fiangonana “Manamboara Vatsy”. Fotoan-dehibe no entin’izy ireo hanamarihana izany ny Sabotsy 29 sy ny Alahady 30 Septambra ho avy izao eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano.

 

 Mandritra izany hetsika izany no hanatanterahana ny fihaonam-ben’ireo mpino ao anatin’ny fiangonana avy amin’ny lafivalon’ny Nosy sy fanosorana « Révérend », Mpitandrina sy Loholona ary fanokanana Mpiandry, Diakona , Misionera. Raha tsiahivina ny tantaran’ny fiangonana dia ny 05 Aogositra 2008 no nananganana  azy  tao Sabotsy Namehana.  Ny evanjeiistra Maminirina Rolland Guy mivady sy mpikambana miisa 33 no angady nananana izany. Taorian’izay dia tafatsangana ihany koa ny fiangonana tao Ambahona, Kaominina Vilihazo. Nisy tao anatin’izany ny fananganana sekoly fampiofanana ho mpitandrina sy misionera mba hahafahana manitatra be be kokoa ny fiangonana. Nanatontosa fandaharana tany anaty onjam-peo tsy miankina ihany koa izy ireo ka vokatr’izany dia efa madiva hanenika ny Nosy ny fiangonana Manamboara Vatsy amin’izao fotoana izao. Antony nisafidianana ny anarana hoe « Manamboara Vatsy » ny fahafantarana fa rehefa hiomana handeha lavitra ny olona iray dia mamehy vatsy, araka ny  tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22 : 21.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT