Fiangonana Loterianina Malagasy Nohavaozina

Hisy ny zana-piangonana vaovao atsy ho atsy


  • Zoma 29 Novambra 2024

Tontosa ny 24 novambra 2024 teo ny fotoam-pivavahana lehibe anisany niavaka teo amin’ny sahan’ny Fiangonana

Loterianina Malagasy Nohavaozina na FLMN, hoy ny fampitam-baovao voaray. «Mandroso hatrany!», io no teny filamatra, hoy ny fanazavàna. Fifindrana tao amin’ny trano fiangonana vaovao ao Namontana no natao. Hipoka olona hatrany ivelany ny fiangonana raha ny hita teny an-toerana ny tontolon’ny alahady. Ny sabotsy maraina no efa nisokatra ity lanonana ity. Nitohy ny folakandro izany, izay nahitana ny fampianarana sy fanovozam-pahalalana notarihin’ny filohan’ny Zanaka am-pielezana. Ny alina kosa dia nisy takarivam-piderana goavana nandraisan’ireo antokom-pihira rehetra anjara. Ny alahady dia fotoam-pivavahana ara-litorgikan’ny fiangonana FLMN tarihin’ny filoha nasionaly, ny Pastora Solofo Andrianoharintsoa, sy ireo birao foibe. Nambaran’ireto farany fa dia mitohy manomboka izao ny fotoam-pivavahana isaky ny alahady. Nambaran’ny filoha ihany koa fa hisy ny zanam-piangonana vaovao atsy ho atsy izay hita any Ambanidia fa eo ihany koa ny any amin’ny faritan’i Fianarantsoa sy Ambalavao, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT