Fiangonana Loteriana Malagasy Nohavaozina

Hoavy ny fanokafana fiangonana maromaro


  • Alarobia 25 Oktobra 2023

Tontosa ny alahady 22 oktobra 2023 teo ny hetsika “Isan-taonan’ny Toby”

eo anivon’ny Fiangonana Loteriana Malagasy Nohavaozina na FLMN. Tao amin’ny Sinodam-paritany Antimo andrefana dia i Toliary, no nanaovana izany, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Nanamarika ny fotoana ny fanosorana ho Pastora miisa 3 mirahalahy. Teo koa ny fanokanana Kantekista mirahalahy, izany hoe miisa 2, ny fanokanana Diakona 7 mianadahy, ny fanokanana Mpiandry 6 mianadahy. Tsy latsa-danja ny firaisana latabatra tamin’ny Tompo ary ny tena zava-dehibe dia ny fiarahabana ny filoha nasionaly, Pastora Solofo Andrianoarintsoa ny amin’ny tsingerin-taona nahaterahany ny 21 oktobra 2023, Solofo Andrianoarintsoa, izay filohan’ny fiangonana maneran-tany, ihany koa. Nisy ny fifaninana Antsam-piderana nandraisan’ny fiangonana ato anatin’ny faritany Toliara anjara. Fandaharam-potoana hoavy ato ho ato ny fanokafana fiangonana maromaro . Ny 18, 19 ,20, 21, 22 oktobra moa, raha tsiahivina no nanatontosana ity hetsika antsoina hoe “Isan-taonan’ny toby” ity, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT