Fiangonana Loteranina malagasy nohavaozina

Namarana ny asany ny Pastora Jeannette Ravaosolo


  • Alarobia 12 Martsa 2025

Efa sekretera jeneralin’ny FLMN na Fiangonana Loteranina malagasy nohavaozina

nandritry ny 15 taona sy nitandrina tamina fiangonana miisa 9 nifandimby dia Ambohimahazo sy ny fitandremana miaraka aminy, Amboatavo koa toy izany, Tsarafara, Ambanindriana, niverina indray tao Amboatavo, Ambohimandroso ny Pastora Jeannette Ravaosolo na Neny Jeannette, hoy ny fampitàm-baovao mikasika ny fanamarihana izany voaray omaly. Nitana farany ny kolejy pastoraly teto amin’ny foiben-toerana Ambohimandroso gara koa aho, hoy ity Pastora namarana ny asany, izany hoe, nisantatra fisotroan-dronono, tao Ambohimandroso ity. Na izany na tsy izany, hoy izy, dia aina no fetra, raha ny mikasika ny fitoriana ny filazantsaran’ny famonjena amin’ny alalan’ny FLMN no resahina satria na dia ho minitra 5 aza sisa omena ahy eto an-tany dia mbola ho ataoko izany. Mirary ireo zandry sy zanaka ihany koa hahavita be noho ny tena, hoy ihany izy.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT