Fiangonana loteranina malagasy nohavaozina

Hatanjahana ny fiangonana an-drenivohitra


  • Talata 25 Febroary 2025

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fihaonana an-tampon’ny birao foiben’ny Fiangonana loteranina malagasy

nohavaozina na FLMN sy ny komity foibe ary ny solontenan’ny FLMN isan-tsinoda sy fitandremana niaraka tamin’ireo zanaka am-pielezana manerana an’i Madagasikara sy any an-dafin’ny riaka ary koa ireo zanaky ny FLMN manam-pahaizana sy traikefa hampandroso ny fiangonana miaraka amin’ireo mpandraharaha sy mpankafy ny FLMN rehetra. Andiany voalohany ity fihaonana ity, hoy ny filoha nasionaly, ny Pasitora Solofo Andriamiharintsoa. Fifampiharahabana noho ny taona vaovao koa, noho izany, izy ity, hoy izy. Nisy ny dinik’asa lehibe namaritana ny fandrosoan’ny Fiangonana loteranina malagasy nohavaozina sy ny ezaka atao ho amin’ny fanitarana saha vaovao nametrahana ny anarana hoe «Triangle du nord» mankany amin’ny faritanin’Antsiranana somary mitopy aty Toamasina. Ao koa ny fanokafana ireo fiangonana FLMN efa maro izay nampiandrasana kely vokatry ny toetry ny andro amin’iny faritanin’i Mahajanga iny. Eo ny tetikasa nasionaly sy sinodaly ho ataon’ny fiangonana toy ny fotodrafitrasa isan-karazany. Jerena manokana ny hanatanjahana ny fiangonana an-drenivohitra mba hamelomana ihany koa ireo fiangonana maty, ankoatran’ny fanitarana izay marefo mba hahaleotena. Voaporofo teto fa manana ny maha izy azy sy foto-pinoany ny FLMN ary tsy ao anatin’ny antsoina hoe «secte». Ny fivelarana nanomboka ny taona 2022 noho nankaty dia heverina fa nahafa-po ny dingana natao, hoy hatrany ny tenany. Tontosa araka ny tokony ho izy ny fihaonana, hoy ny filohan’ny zanaka am-pielezana, Ry Jean Rakotomalala, satria tsy nisy narary na dia nifanitsa-kitro aza ny olona. Nanodidina ny 10 tapitrisa Ariary no lany teto, hoy izy. Tsy nisy famatsiam-bola avy any ivelany fa ny fikambanan’ny zanaka am-pielezana rehetra no niantoka ny lany. Izay ilay voasoratra anaty tenin’Andriamanitra hoe «Raha fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny fiaingonana no tadiavo indrindra!», hoy hatrany ny tenany!
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT