Nialoha ny synoda lehiben’ny Fiangonana Loterana Malagasy dia efa nivoaka ny vaovao tamin’ny fisian’ny pastora Norveziana iray voatendry hitarika ny fifidianana ny birao foibe FLM niaraka tamin’ireo pastora 3
Malagasy efa misotro ronono. Maro amin’ireo mpino no velon-taraina fa sady efa vahiny no mbola manakorontana ny FLM ary tena manozongozona ny fiandrianan'ny fiangonana ity Norvezianina ity. Mandeha ny resaka fa hoe nanana kandida tamin’ny fifidianana filoha ny tenany ka raha vantany vao tsy lany ny kandida notohanany dia niala tamin’ny fitarihana izy ka ireo pastora Malagasy no nijoro hatramin’ny farany nitarika tamim-pilaminana ny fifidianana. Tena nahomby ireo pastora ireo satria noraisin'ny Fiangonana sy ny Kristianina rehetra manerana ny nosy sy eran'izao tontolo izao tamin’ny fifaliana sy ny fisaorana ny birao foibe FLM voafidy, tarihin'ny filoha pastora Dr Rakotonirina David. Etsy an-kilany dia voalaza fa miezaka manaparitaka taratasy sy manetsika hery samihafa ity pastora Norveziana ity noho izy tsy afa-po tamin’ny voka-pifidianana. Efa vita anefa ny fifidianana ary efa nekena fa ny pastora Dr Rakotonirina David no filohan’ny FLM ary miandrandra filaminana sy asa amin’izay ny mpino fa tsy handany andro amin’ny resaka hafa intsony
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.