Finoana

Fiangonana Loterana Malagasy Ny Pastora Dr Rakotozafy Dénis no filoha vaovao


  • Zoma 06 Novambra 2020

Tanterahina nanomboka ny 04 novambra ary hifarana amin'ny 08 novambra ho avy izao ny Kômity Synôda Lehibe (KSL) andiany faha-23 ataon'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), any Tsaramandroso Mahajanga.

 Nofidiana omaly ny Filohan’ny FLM, izay hisolo ny Pasitora Dr Rakotonirina David izay nodimandry, ka ny Pr Dr Andrianjafy Octave Bénil no Filoha vonjimaika nanomboka ny 20 jolay 2020. Synôdam-paritany 25 no nandray anjara tamin’ny fifidianana, ka 24 avy eto Madagasikara ary avy any Erôpa ny 01. Ny Pastora Dokotera Rakotozafy Dénis Filoha lefitry ny Synodam-paritany Antananarivo no lany hitondra ny FLM rehefa nahazo vato 312 tamin'ny fihodinana fahatelo. 173 kosa no azon'i Pastora Dr Randrianjaka Olivier nifaninana taminy. Toy izao ny zotram-pifidianana: 489 ny mpifidy, ary 07 no nifaninana tamin’ny dingana voalohany. Nahazo vato 263 tamin’ny 480 nifidy ny Pst Dr Rakotozafy Dénis, 213 ho an’ny Pst Dr Randrianjaka Olivier, 04 ho an’ny Pst Andrianjafy Octave Bénil, 1 ny Past Dr Rafalimanana Jean de Dieu, 1 ho an’ny Pst Ratefiarivony Audace, 1 Pst Johanesa, 1 Pst Fidèle, ary vato maty 02. Tsy maintsy mahazo ny 2/3n’ny vato ny kandida vao lany, ary hatramin’ny dingana faha-4 raha tsy misy mahazo an’izay, dia izay zokiny no mandresy. Niditra tamin’ny dingana faharoa ireo telo be vato indrindra, ka 286 ny vato azon’i Pst Dr Rakotozafy Dénis, 203 ho an’ny Pst Dr Randrianjaka Olivier, ary 00 ho an’ny Pst Andrianjafy Octave Bénil. Mbola tsy ampy 2/3 anefa ny fandresena teo, ka nidirana tamin’ny dingana fahatelo, nahitana ny mpandresy. Miarahaba ny Pasitora Dokotera Rakotozafy Dénis isika eto amin’ny Tia Tanindrazana, ary mirary azy sahady hahefa be amin’ny adidy masina sy goavana iantsorohany.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT