Finoana

Fiangonana Loterana Malagasy Nodimandry ny Pastora Dr Rabenorolahy


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Nodimandry vokatry ny valanaretina coronavirus Andro vitsy taorian’ny fodiamandrin’ny Filoha am-perinasan’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) Pasitora Dr Rakotonirina David ny alin’ny sabotsy 11 jolay lasa teo vokatry ny valanaretina coronavirus,

 

 dia namoy olobe iray indray ny Fiangonana omaly talata 14 jolay. Nodimandry teo amin’ny faha-80 taonany vokatry ny valanaretina covid-19 ihany koa ny Filohan’ny FLM teo aloha Pasitora Dr Rabenorolahy Benjamin, izay nitondra ny fiagonana teo anelanelan’ny taona 1989 hatramin’ny 2004. Notsaboina tao amin'ny Hopitaly Loterana Ambohibao ny Filohan'ny FLM izay efa nisotro ronono izao nodimandry izao. Efa loholon'i Madagasikara, isan’ireo notendren’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ihany koa ny tenany tamin’ny fotoan’androny. Any Toliara no tena tokony handevenana ny vantana mangatsiakany, saingy noho ny hamehana sy ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana, dia tsy ho tody any ny vatana mangatsiakany. Hotanterahina anio 15 jolay eny Ambohijanaka, distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny fandevenana azy, raha ny vaovao farany azo omaly hariva. Miombona alahelo sy mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany sy ny Fiangonana FLM manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.

 Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT