Finoana

Fiangonana Loterana Malagasy Napetraka tamin’ny toerany ny filoha vaovao


  • Alatsinainy 09 Novambra 2020

Tontosa omaly alahady 08 novambra tao amin’ny Fiangonana Loterana Tsaramandroso Ambony Mahajanga ny lanonana ara-piangonana nametrahana ny Filoha vaovaon'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), ny Pasteur Dr Rakotozafy Denis.

 

 

 Izy hitondra mandritra ny efa-taona ho avy. Nisolotena ny fanjakana foibe, tonga nanome voninahitra ny fotoana, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Rtoa Razanamahasoa Christine. Nanatrika izany koa, nitarika ireo manampahefana eto an-toerana ny VPAN Mahajanga, Rtoa Rahantanirina Lalao. Nifarana omaly alahady 08 novambra kosa ny Kômity Synôda Lehibe (KSL) andiany faha-23 nataon'ny Fiangonana Loterana Malagasy, izay nanomboka ny 04 novambra lasa teo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT