Finoana

Fiangonana Loterana Malagasy Nanao antso fanairana


  • Alakamisy 16 Jolay 2020

Tao anatin’ny herinandro no namoizan’ny Fiangonana Loterana Malagasy na ny FLM ireo Raiamandreny am-panahy roa dia ny Filohan’ny fiangonana am-perinasa sy ny teo aloha.

 

 

 

 

Tontosa omaly teny Ambohijanaka ny fandevenana ny Pastora Dr Rabenorolahy Benjamin. Nilaza ny Fiangonana omaly, fa namoy ny ainy vokatry ny covid-19 ihany koa ny Solontenan’ny Misiona sinoa eny Behoririka izay miara-miasa amin’ny FLM. Nanao fanentanana mba ho mailo sy nitondra torohevitra ny fiangonana omaly, ka isan’izany ny “ady gasy”, toy ny fisotroana rano mamay miaraka amin’ny sakamalaho atao rano fisotro. Rehefa tonga any an-trano dia aleo tonga dia mievoka, hoy ny toromarika. Miantso ny tokony hanampian’ny fanjakana ny Hopitaly FLM Ambohibao ny Fiangonana satria maro ny olona mitsabo tena tonga manantona eny an-toerana, saingy tsy maharaka ny fitaovana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT