Finoana

Fiangonana Loterana Malagasy Misy mpino mampiaka-peo


  • Alarobia 02 Martsa 2016

Miala any koa ny krizy eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy. Raha araka ny taratasy nalefana vondrona mpino FLM tamin’ny mpanao gazety omaly dia tsy hitan’ny foibe FLM mihitsy ny zava-mamoafady ao amin’ny Synodam-paritany Antananarivo ankehitriny.

 

 Nandritra ny efa-taona izao, hoy izy ireo dia nisy ny fisandohana diplaoma “doctorat” sady nanery ny Synoda hanome  karama sahaza ny “docteur” nataon’ny tompon’andraikitra iray. Tsy nandrenesam-peo ny foibe FLM tamin’ireo. Nanatanteraka fifidianana indray ny SPANTA  ny 24 sy ny 25 febroary lasa teo saingy fividianana sy fanerena,  fandrahonana,  fanagejana olona no natao izay nampanontany tena azy ireo hoe : natrehin’ny foibe  FLM ve izy io sa ahoana ? Ankoatra ny fifidianana ny filoha dia nitsimbadika tanteraka ny fiainan’ny fiangonana tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny fileovana. Very hevitra ny mpino Kristianina manoloana izany. Raha araka ny fantatra hatrany dia efa mifanatona ny fiangonana rehetra amin’izao amin’ny alalan’ny komitim-piangonana. Toraka izany ihany koa ny Kristiana izay efa eo am-pananganana ny “cellule de crise”  ankehitriny, handray an-tanana ny raharaha sady hamoaka izany amin’ny haino aman-jery rehetra misy eto amintsika ihany koa.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT