Manamafy ny fanambarana navoakan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) nandritra ny Synoda lehibe faha-138 notanterahany tany Betafo-Antsirabe ny 18 – 19 desambra
lasa teo ka manantitra sy manisy tsindrim-peo amin’ny zavatra vitsivitsy miainga amin’ny fitarainana maro efa nipololotra avy any amin’ny fiarahamonina. Efa tena manjaka loatra ny ratsy, ny kolikoly eto amin’ny firenena ka tsy maintsy miteny izahay, hoy ny FLM. Niavaka tamin’ny fanambarana mahazatra ity noraisin’ny FFKM ity ka izany indrindra no ilana fandraisana andraikitra mifanaraka amin’izany mba hifampitaiza ny isam-piangonana eo anatrehan’ny loza mianjady amin’ny mpino, ny vahoaka Malagasy ary ny firenena. Hentitra ary tena mahitsy ny fanamarihana sy fanambarana nandritra ity Synoda Lehibe faha 138 n’ny FLM ity ka anisan’ny voaresaka ohatra ny hoe : tsy mangarahara ny fampiasana ny volam-panjakana ka mifangaro ny asan’antoko sy asam-panjakana. Eo koa ny hoe tsy mifanaraka amin’ny foto-pisainana Malagasy ny fandaharam-panabeazana terena hapetraka eto, fandaharana hanomanana olona hanatanteraka asa, fandaharana tandrify ny filan’ny vahiny fa tsy handinika ny hampandroso ny firenena. Tsikaritra ihany koa ny tsy fahampian’ny fanabeazana ara-panahy eo amin’ny mpitondra fanjakana, hoy ny FLM ka zary lasa tsy maharototra azy ireo intsony ny hamaha olana amin’ireo sedra maro lalovan’ny Firenena sy ny Fiangonana na ny fanomezana hasina ity farany. Resy lahatra ny Fiangonana Loterana Malagasy fa tsy maintsy atao eto Madagasikara ny fifonana sy fibebaham-pirenena. Tena ilaina ny fitakiana ny fandraisan’andraikitry ny mpitondra, fitadiavana vahaolana, fametrahana tetiandro amin’ny famahana ny olana eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana, kolikoly ary fahantran’ny vahoaka Malagasy, hoy ny FLM. Nanolotra vahaolana sy soritr’asa ny FFKM mba ho fiaraha-mientana amin’ny famahana ireo olana mianjady amin’ny vahoaka ireo; ny Fiangonana Loterana Malagasy ihany koa dia nandroso soso-kevitra mba hahatongavana amin’ny tanjona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.