Finoana

Fiangonana Loterana Malagasy Mankahery hatrany ny mpino hiorina amin’ny finoana


  • Alatsinainy 04 Jona 2018

Nofaranana teny Mahamasina ny alahady 27 mey teo teny Mahamasina ny jobily faha-150 taonan’ny Fiangonana Loteranina Malagasy na ny FLM.

 

Niarahaba ny rehetra tsy ankanavaka na lahy na vavy, na antitra na tanora, ny sokajy rehetra misy, ny mpitondra sy ny entina na ara-panjakana na ara-piangonana, ny Filohan’ny FLM Pastora Dr Rakotonirina David noho ny fahatrarana iny taon-jaobily izay nofaranana teny Mahamasina ny tenany. Nifandraika tamin’io ihany koa ny KMSL (Komity Mpiandraikitra ny Synoda Lehibe) andiany faha-138. Nivoitra tao anatin’ny teny fampaherezana fa Andriamanitra no miteny amin’ny fiangonana sy ny tsirairay amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra hoe mandehana, ka ataovy mpianatra ny firenena rehetra. Nivoitra ny fankaherezana ny mpino sy ny Fiangonana hiorina hatrany amin’ny finoana, ka anisan’ny manome aina amin’izany ny fampaherezan’ny fanahy masina amin’ny alalan’ny teny sy ny sakramenta. Mitombo isan’andro ao amin’ny fiangonana mahatonga hery sy aina ho an’ny fiangonana io, hoy hatrany ny filohan’ny FLM. Indrisy fa ny tantara no milaza fa nisy ny atao hoe taon-jato maizina dia ny faha-6 hatramin’ny faha-16, izay arivo taona niainan’ny fiangonana tao anatin’ny fahamaizinina. Hita teo amin’ny fiainan’ny Fiangonana avokoa ny mety ho endriky ny tsy fahombiazana, fialana amin’ny tenin’Andriamanitra, fanaovana ny sitrapon’ny olona, eny  fa ny fanesorana ny Tenin’Andriamanitra hifikirana amin’ny fampianaran’olombelona. Teo anefa ny tenin’Andriamanitra, izay nanandratana izay nanatonga ny fiangonana niha hahery finoana, niala tamin’ny fanahin’ny fahamaizinana. Tokony hizara ny fahatokiana sy ny fiankinana amin’Andriamanitra ny rehetra, hoy ny hafatra anisan’ny lehibe.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT