Finoana

Fiangonana Loterana Malagasy Iza no handimby an’ny Pastora Rakoto Endor Modeste ?


  • Alatsinainy 05 Septambra 2016

Hotanterahina ao Antsirabe ny talata 7 ka hatramin’ny 14 septambra izao ny Synoda lehiben’ny Fiangonana Loterana Malagasy.

Mandritra izany no hifidianana ny Birao Foibe FLM hitantana ny efa-taona manaraka ka hamantarana izay hisolo an’ny Pastora Rakoto Endor Modeste. Anarana telo amin’izao fotoana izao no efa mandehandeha any ary mikendry ny toeran’ny filohan’ny FLM, dia ny filohan’ny Synodam-paritany Antananarivo, Pastora Rakotonirina David, ny Tonia Lefitra FLM sady filohan’ny Synodam-paritany Afovoany (SPAF), Pastora Randrianirina Dieu Donné ary ny sojaben’ny fakiolte loteranina any Fianarantsoa, pastora Lotera Fabien. Natomboka omaly ny fitondrana am-bavaka ity Synoda lehibe FLM ity.

Raha ny satan’ny fiangonana dia mivory isaky ny efatra taona ny Komitin’ny Synoda Lehibe ary mifidy ny Komity Mpiandraikitra ny Synoda Lehibe izay mivory in-droa isan-taona ka ny volana mey sy novambra izany, ka ny volana mey dia fanaovana tatitra ara-bola ary ny novambra kosa dia tatitra moraly. Ny komitin’ny Synoda lehibe ihany koa no mifidy ny Birao Foibe FLM izay mpanatanteraka ny komitin’ny Synoda lehibe sy ny Komity Mpiandraikitra ny Synoda Lehibe.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT