Finoana

Fiangonana Loterana Malagasy Hamokatra Ethanol any Antsirabe


  • Sabotsy 06 Mey 2017

Hisehatra amin'ny famokarana solika fandrehitra avy amin'ny toaka dia ny "Ethanol" ihany koa ny fiangonana Loterana Malagasy.

 Ao Antsirabe no hananganana ny ozinina izay hamokatra hatrany amin'ny 5.000 litatra isan'andro raha maharaka ny akora fototra. Tanjona ny asa tonga dia vavany amin'ny fiaraha-miasan'ny fiangonana sy fanjakana, hoy ny fanazavan'ny filohan'ny FLM, ny pastora Rakotonirina David. Hisy ny mpiasa horaisina mivantana hiasa amin'ity ozinina ity Ankoatra izay dia handray ihany koa ny vokatra toaka gasy manerana an'i Madagasikara ny ozinina. Vokatra maro no avoakan'ny ozinina. Hampiasaina amin'ny fatana aloha no hiandohana, hampihenana ny fampiasana arina sy kitay. Niatrika ny fanombohan'ny asa ny minisitry ny fahasalamana. Efa vonona ireo fitaovana hamokarana ka ny fitokanana dia ny 19 mey ho avy izao, hatrehin'ny filohan'ny repoblika any Antsirabe mihitsy. Fantatra fa mila mangahazo sy fary hatrany amin'ny 5 taonina isan'andro ity toerana ity rehefa tena mihodina tsara ka efa mandeha ny fampirisihana ny olona hamokatra.

 


Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT