Finoana

Fiangonana Loterana Malagasy Hamatsy fiarovana sy fanampin-tsakafo


  • Sabotsy 04 Aprily 2020

Nanao fanambarana tetsy amin’ny foiben’ny sampana Loterana misahana ny fahasalamana na SALFA Andohalo omaly ny avy eo anivon’ny Fiangonana

 

 Loterana Malagasy na FLM notarihin’ny filohany, ny Pastora David Rakotonirina. Nanamafy ny FLM fa manaja ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana mikasika ny mety ho tohin’ny fepetra ho raisina hiadiana amin’ny areti-mandoza, Coronavirus. Ho fandraisana anjara biriky amin’izany ady izany kosa dia hisy ny famatsiana fiarovana sy fanampin-tsakafo ho an’ny mpiara-belona mba hahafaha-misoroka ity valan’aretina ity. Ho aparitaka amin’ireo SALFA na toby loterana manerana ny nosy izany manomboka amin’ity anio ity ahafahana mitsinjara azy, araka izay fandaminan’ny tompon’andraikitra, raha ny fanazavana hatrany.Ankoatr’izay dia tsy voatery hankalazaina amin’ny faha 12 aprily izao ny Paska, hoy ny FLM, fa na amin’ny faran’ny volana aza tsy olana ary efa nataontsika ny toy izany. Nanamafy ny Pastora Davida Rakotonirina fa tsy tokony hampisaraka ny kristianina amin` Andriamanitra ny fihibohana. Aza adino ihany koa, hoy ny filohan’ny FLM fa fotoanan` ny fibebahana izao

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT