Finoana

Fiangonana Katolika Miditra amin'ny iray volan'i Masina Maria


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Ny volana mey dia volana natokan'ny Fiangonana Katolika hankalazana manokana an'i Masina Maria reny niteraka an'i Jesoa Kristy.

 

 

 Fanehoam-pitiavana manokana an'i Masina Maria ny volana roa ao anatin'ny taona hoan'ny fiangonana katolika dia ny volana mey sy ny volana oktobra, hoy ny Petrairay avy eto amin’ny diosezin’Antananarivo tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana, ary misy koa eny an-tsefatsefany eny toy ny andron'ny Fampakarana 15 aogositra sns... Entina am-bavaka i Masina Maria sy Masinday Josefa vadiny amin'ity volana mey ity, hoy izy, satria ny 1 mey koa dia fantatra fa fetin'i Md Josefa mpiasa ka ny mpiasa rehetra sy ny manodidina ny asa fivelomana dia entina am-bavaka hiroborobo hatrany ihany koa mandritra ny volana mey fiakaram-bokatra mba hiroborobo hatrany. Ny tena atao izany, hoy ity Pretra ity, dia ny manao dia mivavaka "Pelerinage" indrindra eny amin'ireo toerana eo ambany fiarovan'i Masina Maria sy fanehoam-bavaka manokana miaraka aminy ihany koa. Mivavaka manokana ihany koa ho an'i Masina Maria sy Masindahy Josefa vadiny izay nampianatra antsika amin'ny fahaizana mandray ny zanak'Andriamanitra sy miara-dia amin'i Jesoa Kristy eo amin'ny fiainana.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT