Finoana

Fiangonana Katolika Masiaka amin’ny olana mianjady amin’ny tantsaha


  • Alakamisy 23 Jona 2016

Ny tantsaha no anisan’ny mampihodina ny fiainam-pirenena eto amintsika.

 

 Ny 80%-n’ny Malagasy mantsy dia saika tantsaha mpamokatra avokoa nefa mihavoahitsakitsaka hatrany ny zon’izy ireny ankehitriny. Lohalaharana amin’izany ny resaka fananantany toy ny mitranga any Soamahamanina Arivonimamo ankehitriny. Nasiaka tanteraka ny avy eo anivon’ny fiangonana katôlika omaly raha nandray fitenenana nandritra ilay hetsika hanomezan-danja ny tantsaha eto Madagasikara na ilay antsoina hoe : « Festival des paysans » tanterahina etsy Antanimena. Nambaran’ireo tompon’andraikitra fa tokony hahay handanjalanja ny fahefana nomen’Andriamanitra eo am-pelatanany ny tsirairay. Na dia vovo-tany iray sotro aza mantsy, hoy izy, tsy misy afaka hitondra rehefa tonga ny fotoana hodiana noho izany tsy tokony hanao tsinontsinona ny mpiara-belona isika. Nasiany resaka manokana ny fitondram-panjakana izay tena manao ny tenany ho zavatra tokoa ankehitriny ka tsy mijery afa-tsy ny tombontsoany intsony. Mbola hitohy mandritra ny telo andro ny hetsika raha loabary an-dasy no nisantarana izany omaly.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT