Finoana

Fiangonana katolika Diosezy 9 hankalaza ny faha-60 taonany


  • Talata 04 Aogositra 2015

Diosezy miisa 9 no hankalaza ny faha-60 taona nijoroany ankehitriny. Ho fanamarihana izany dia hitarika sorona masina lehibe any Morondava,

 

toerana hikarakarana ny fankalazana ny  Mon Seigneur Savio Hon Tai-Fai izay sekretera jeneraly miandraikitra ny  fanaparitahana ny  filazantsara  eran-tany,  indrindra fa aty Afrika eo anivon’ny  finoana katolika. Ity Raiamandreny am-panahy ity  ihany koa no  nandika ny filazantsara masina amin’ny teny sinoa voalohany. Omaly maraina no noraisin’ny  praiminisitra  Ravelonarivo Jean ity tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny  fiangonana katolika  ity  ka nandritra ny  fihaonana no nampatsiahivany ny  toerana lehibe tazonin’ny  fiangonana eto  Madagasikara eo amin’ny  fanabeazana sy ny eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana. Nomarihiny  fa  efa mahatratra efatra  ankehitriny  ny  oniversite tantanin’ny fiangonana eran’i Madagasikara  ka misy izany Antananarivo, Antsirabe, Antsohihy ary tsy ho ela i Antsiranana. Nanotrona ny Mon Seigneur Savio Hon Tai-Fai  teny Mahazoarivo ny Pretra Guiseppe Quirighetti izay mpiraki-draharaha  eo anivon’ny   masoivohon’i Vatikana eto amintsika. Momba  ity masoivohon’i Vatikana miasa sy monina eto Madagasikara ity dia efa fantatra ny anarany, hoy ny praiminisitra fa ny  fotoana ahatongavany no sisa.

Andry Ratovo


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT