Fiangonana katolika

> Tsy nanadino ny sembana tao Vakinankaratra


  • Talata 21 Janoary 2014

Tsy nanadino ireo sembana ao amin’ny Faritra Vakinankaratra sy ny manodinana hatrany ny fiangonana katolika sy ireo fikambanana miara-miombon’antoka aminy isan-taona fa dia manatanteraka fifampizarana sy fanohanana azy ireo hatrany miaraka amin’ny Evekan’Antsirabe.

Natao ny sabotsy 18 janoary lasa teo tao amin’ny EKAR Ambohipeno ny fankalazana ka sady fiarahabana ireo sembana noho ny Asaramanitra izany no koa Noely fifampizarana ho azy ireo. Nitarika ny fotoana ny Evekan’Antsirabe, Mgr Philippe Ranaivomanana sy ireo fikambanana mpiahy ny sembana ary notronin’ny Minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy, Rtoa Vaomalala Olga. Toy ny fanao mahazatra moa dia eo no hanolorana fanomezana ireo sembana manodidina ny 1.000, izay voaangon’ireo fiangonana sy ny fikambanana. Tsy misy avahana izay sembana tonga eo fa samy mahazo ny anjarany avokoa. Ankoatra izay dia nisy ny fanolorana fanomezana nataon’ny Minisitra izay nahitana vary 10 gony, tsaramaso maina 1 gony, valonan-damba “fripperies”, ary savony baoritra maromaro. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fanafody natolotra hitsaboana ireo sembana karakarain-dry Masera Trinitera ao Ambohipeno. Raha ny nambaran-dRtoa Raherison Lalanirina, Talem-paritry ny mponina sy raharaha sosialy Vakinankaratra dia manana ny politika manokana ho fiahiana ny sembana ny sampandraharaha iadidiany araka ny tapaka nandritra ny atrikasa natao ny 03 desambra 2013 lasa teo. “Fiaraha-monina tsy manilika, Antoky ny fampandrosoana” no lohahevitra tami’izany. Ho azy ireo dia ezahina ny hampandraisana anjara feno ny sembana amin’ny asa rehetra mety aminy mba tsy ho vesatry ny fiarahamonina intsony izy ireo fa afa-mamokatra araka ny tandrify azy. Izay no ezaka ho azy ireo amin’ity taona 2014 ity. Taorian’ny tao Antsirabe dia nanohy ny fitsidihana ny “Centre Fararano Lava” tao Ambohimandroso ny minisitra. Fiaraha-miasan’ny Ministera sy ny Eveka Félix Ramananarivo fony fahavelony ity tetikasa ity teo aloha ary mbola mitohy hatramin’izao.

Caïus Raharison


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT