Fiangonana katolika

> Tsy nanadino ireo voafonja


  • Talata 07 Janoary 2014

Toy ny isan-taona dia tsy manadino ireo olona voafonja ny fiangonana katolika ao Antsirabe ka ny Alahadin’ny Epifania ny 5 janoary teo, izay hankalazan’ny fiangonana ny nisehoan’ny Tompo no nankalazana niaraka tamin’ireo voafonja ny Noely tao amin’ny toeram-panarenana ao Antsirabe.

Nitarika ny fotoana tamin’izany ny Vikera jeneralin’ny Diosezy, Mompera Razafindrabe Janvier Eudése notronin’ny avy ao amin’ny ACP na «Aumônerie Catholique de Prison» sy ireo fikambanan-dRelijiozy lahy sy vavy misahana ny fanampiana ny fonjan’Antsirabe. Nankaherezan’ny Vikera jeneraly ireo voafonja moa nandritra ny fampianarana nataony fa ny fieritreretan’ny tsirairay sy ny konsiasiny no tenin’Andriamanitra mamelombelona sy manarina ny fiainantsika ary ilay kintana hisehoan’Andriamanitra amin’ny olombelona, ary ankoatra izay dia ny olona eo akaikintsika no endrika hisehoan’Andriamanitra. Taorian’ny fotoam-pivavahana moa dia nisy ny fifampizarana toy ny mahazatra efa fanaon’ny fiangonana tamin’ireo voafonja, izay miova amin’ny asa fanohanana ataon’izy ireo andavanandro rehefa mba fety toy izao. Mahatratra 551 moa ny voafonja ao Antsirabe amin’izao fotoana ka ny 494 amin’ireo no lehilahy, 43 ny vehivavy ary 14 ny tsy ampy taona.

 

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT