Finoana

Fiangonana Jesosy Mamonjy Nohidiana vonjimaika ny eny Tsarahonenana


  • Alatsinainy 03 Aprily 2023

Taorian’ny sakoroka niseho ny sabotsy 25 martsa sy ny alahady heriny lasa teo teny amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy etsy Tsarahonenana,

nandray fanapahan-kevitra nanakatona vonjimaika io toeram-pivavahana io ny Prefen'Antananarivo araka ny taratasy navoakany ny 28 martsa teo. Nakatona tanteraka ny fiangonana nanomboka afak’omaly, ary tsy nisy ny fotoam-pivavahana omaly alahady. Nanao fanambarana kosa ireo mpino mpivavaka ao amin'ny Jesosy Mamonjy Tsarahonenana fa tsy maintsy hivavaka izy ireo, ary ataony eo an-tokontanim-piangonana. Nisy noho izany ny filanjan’izy ireo miantefa amin’ny mpitandro filaminana hoe: “ny jiolahy enjehina, fa aza ny fiangonanay no akatona”. Mbola tohin'ny fifidianana ny filankevim-pitantanana teo anivon’ny Jesosy Mamonjy foibe hatrany moa ny raharaha. Ny avy amin’I Pasitera Raymond no voalaza fa nandefa iraka hametraka amboletra mpitandrina tao Tsarahonana, nitondra fitaovana famakian-trano, saingy nisy ny sakoroka tamin’ny herinandro ambony. Vokany io niafara tamin’ny fanakatonana io. Etsy andaniny, misy ireo mpino milaza fa Ankorondrano tsy nohidina nefa nisy korontana, Anosibe tsy nohidina nefa nisy vono sy fikasihan-tanana,… fa Tsarahonenana nankatona satria notafihina jiolahy, hoy izy ireo. “Satria ve tsy azon’i Raymond dia nakaton’ny Prefektiora sy tena tsabahany tanteraka ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ary miandany tanteraka amin’ny ankilany?”, hoy ireo mpino sasany etsy Tsarahonenana. Andrasana ny tohiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT