FIANGONANA JESOSY MAMONJY

Nakaton’ny Fanjakana ny ao Ambatofinandrahana


  • Alakamisy 19 Oktobra 2023

Nakaton'ny fanjakana omaly hariva ary nofefeny tsy afaka mivoha (scellé) ny fiangonana Jesosy Mamonjy

ao Ambatofinandrahana renivohitra. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia niady an-trano ny mpiangona ny Alahady teo 15 Oktobra lasa teo ka nisy mihitsy ny naratra. Vaky ra hatramin'ny pastera tonga handamina hoy hatrany ny vaovao. Mbola saika raikitra indray ny ady omaly hariva, antony tsy maintsy nandraisana ny fahapahan-kevitra. Ny an-daniny nandrangaranga antsy be tao am-piangonana ka niezaka nanelanelana ny zandarimariam-pirenena sy ny sefo distrika. Ny ankilany kosa niezaka ny ho tony ihany hoy ny vaovao saingy tsy nahazaka ihany koa ka voatery nakatona omaly hariva ny fiangonana. Andrasana moa izay mety ho tohin’ity raharaha ity. Raha araka ny loharanom-baovao hatrany dia resaka ady fahefana no manosika ireo mpino eo anivon’ny fiangonana hifamono tahaka izao.
Pati
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT