Finoana

Fiangonana Jesosy Mamonjy Miverina manao asa sosialy, efa milamina


  • Alatsinainy 09 Janoary 2023

Mafana dia mafana ny resa-politika eto amintsika ankehitriny. Na izany aza nanambara pastera Raymond Randrianatoandro,

tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny fiangonana Jesosy Mamonjy etsy Ankorondrano fa tsy miditra amin’ny raharaha politika izy ireo fa mivavaka ho an’ny mpitondra kosa. Mivavaka ho an’ny mpiray tanindrazana ihany koa mba hilaminan’ny firenena. Mikasika ny fivavahan’izy ireo manokana dia nanambara izy fa efa milamina tanteraka ny ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Nisy ny fivavahana notanterahin’ireo mpino ny Sabotsy 07 Janoary teo narahin’ny fizarana fitafiana sy hani-masaka ho an’ireo mponina monina ao amin’ny Fokontany Ankorondrano Atsinanana. Ho fanamarihana ny fahatongavan’ny taona vaovao 2023 no antony no sady ho fanatontosana ny tenin’Andriamanitra ihany koa izay milaza fa mety sy tsara ny mizara sy manome ho an’ireo tsy manana. Niarahan’ny fiangonana niasa tamin’ny Fokontany Ankorondrano Atsinanana moa ny nahafahana naka ireo olona sahirana sy kamboty an-jatony ireo izay marihina fa zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Raha araka ny fanazavan’ity pastera ity hatrany moa dia efa 3 na 5 volana izao no nilaminan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy etsy Ankorondrano.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT