FIANGONANA JESOSY MAMONJY


  • Zoma 17 Jolay 2026

Misy tsy manaiky sahady ny

fifidianana filan-kevi-pitantanana
Misy tsy manaiky sahady ny fifidianana ireo mpikambana eo anivon'ny filan-kevi-pitantanana ireo mpino sasany ao amin'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy etsy Ankorondrano. Nisy omaly Alakamisy 16 Jolay ny fitokonana notanterahin'izy ireo teo ivelan'ny Fiangonana nentina nanoherana izany, narahin'ny filanjana sora-baventy. Nambaran'izy ireo fa tsy tokony teren-ko ho masaka toy ny voalobo-jaza io fifidianana io fa tokony hakana ny hevitr'ireo mpino. Tsy ny tompon'andraikitra ihany koa no tokony hamolavola io fifidianana io araka ny heviny hoy ireo mpino fa tokony hampanarahina rafitra an-tanan-tohatra izany mba ho ara-dalana. Manahy mafy ny mety ho vokatr'io fifidianana hatao amboletra io izy ireo vokatr'izany. Nihatrana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana fotoana fohy taorian'izany. Diso nameno ny sisin'arabe loatra mantsy izy ireo niaraka tamin'ny zava-maneno. Nanomboka omaly folakandro izany ka hatramin'ny omaly hariva, fotoana nanoratanay. Raha araka ny fantatra dia mifandraika amin'ny fanomanana ny fifidianana ny Filankevi-pitantanan'ny Fiangonana izay kasaina hatao ny Sabotsy ho avy izao izany ny fahatongavan'izy ireo. Teo koa anefa ny fijerena ireo mpino naneho fanoherana, ka nohamafisina ny fepetra fiarovana mba hitandroana ny filaminana manodidina ity Fiangonana Jesosy Mamonjy etsy Ankorondrano ity. Tsiahivina moa fa tsy mety voavaha mihitsy ny olana misy eo anivon'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano. Misy hatrany ny hetsika tahaka izao isaky ny misy fifidianana hotanterahina vokatry ny tsy firaisan-tsain'ireo mpino. Andrasana izay mety ho tohin'ny raharaha.
Pati
Légende : Nitokona tahaka izao sahady ireo mpino !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT