Finoana

Fiangonana hiverina hisokatra 170 isan-kerinandro ny fangatahana voarain’ny prefektiora


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana tanteraka isika eto ankehitriny. Mbola voafetra ho 50 isaky ny efitrano ihany koa ireo mpino azon’ny fiangonana raisina noho izany eny fa na dia ho an’ireo fiangonana lehibe mahazaka olona an-jatony aza.

 

 Mahatratra 160 ka hatramin’ny 170 isa isan-kerinandro araka izany ireo fiangonana tonga manao fangatahana eo anivon’ny prefet-n’Antananarivo ny mba hahafahany miverina misokatra indray. Mahazo fahafahana izy ireny raha manaraka ny fenitra ara-pahasalamana sy io salan’isa miisa 50 isan’efitra io saingy ho an’ireo toerana nahitana trangan’aretina kosa dia tsy manome fahazoan-dalana hisokatra ny prefe raha araka ny fanazavan’ny general de division Ravelonarivo Angelo, omaly. Tsy mandeha ho azy izany fepetra izany hoy izy fa misy fanaraha-maso hatao. Mikasika ireo olona manao fisoratam-panambadiana na mariazy ka manofa efitrano filanonana ary manasa olona mihoatra ny 50 isa aorian’izany dia nomarihiny fa tena ho sahirana raha tratra. Ho fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy no antony hoy hatrany ity prefen’Antananarivo ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT