Finoana

Fiangonana Hampianatra ny mpivady momba ny resaka fananahana


  • Alarobia 10 Febroary 2021

Hiezaka hampianatra ny mpivady momba ny resaka fananahana manomboka izao ny fiangonana na dia saro-pady aza izany.

 

 

 

 Raha araka ny fantatra mantsy dia saika manana olana mifandraika amin’izany avokoa ny ankamaroan’ireo nanaraka fiofanana tetsy amin’ny katedraly Analakely ao anatin’ilay hetsika Vontom-pitia, karakarain’ny fiangonana FJKM. Ankoatra izay dia hampianatra lalindalina kokoa momba ny tenin’Andriamanitra ihany koa izy ireo mikasika ny fanambadiana. Lohalaharana amin’ireny ny hoe : miala ao amin’ny Ray aman-dReniny ny lahy sy ny vavy izany hoe : efa mahaleo tena ary hitambatra ho nofo iray ihany. Ny an’ny sasany anefa hoy ny mpitandrina iray tafaresaka taminay dia mifamadika ambony ambany mihitsy ireo hany ka tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny fiainam-panambadiana. Niditra tamin’ny andro faharoa momba ny fanofanana izy ireo omaly raha nanangonana ny olana maro samihafa sedrain’ny mpivady kosa no nisantaran’izy ireo izany afak’omaly, fefy iray hisakanana ny fisaraham-panambadiana. Nahatratra 300 teo ho eo ireo tonga nanotroka izany sy namaly ny antso izay nambaran’ireo mpikarakara fa mbola azon’ireo mpizaika maniry hanatrika izany henjehina tsara, fiofanana hofaranana amin’ny fiaraha-misakafo izay hotanterahina amin’ny alahady 14 Febroary ho avy izao, fetin’ny mpifankatia.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT