Finoana

Fiangonana FVKFM Nizara fanomezana ho an'ireo marary


  • Alarobia 27 Desambra 2017

Nizara fanomezana ho an'ireo olona sahirana sy ankizy marary miisa 250 manaraka fitsaboana etsy amin' ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny Vondron'ny Kristianin'ny Fanahy Masina na ny FVKFM.

Hetsika efa fanaon'izy ireo isan-taona ny tahaka izao ankoatra ny fitondrana am-bavaka ny marary isaky ny alarobia sy zoma, tanterahin'ireo mpanompon'Andriamanitra ao aminy. Misy ihany koa ny fanomezan-dra indray mandeha na in-droa isan-taona tanterahin'izy ireo. Noho ny fahatongavan'ny fetin'ny Noely moa ka hahafahana mamalifaly ireo ankizy marary no antony teto. Kilalao no natolotra azy ireo raha kojakoja ilaina amin'ny fiainana andavanandro kosa ho an'ireo sahirana. Manampy manokana ireo olona tazonina eny am.ponja ihany koa ny fiangonana FVKFM. Manana ny vondrona Kaleba koa izy ireo manampy ireo zokiolona, raha araka ny fanavazana azo.

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT