Tontosa ny sabotsy 11 novambra lasa teo ny fitokanana ny trano Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara (FPVM), etsy Antaninanandrano Antaninandro, tarihin’ny Mpitandrina Randrianantoandro Jean Joseph.
Delegasionina mafonja avy amin’ny fitondram-panjakana no nanome voninahitra ny lanonana, notarihin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier mivady, sady nisolotena ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Fa tazana teny an-toerana koa ny mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena, ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka sy ny minisitry ny fitaterana sy ny minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika misahana ny harena ankibon’ny tany sy ny solitany, ny filoha lefitry ny antenimierandoholona sy solontena avy amin’ny antenimieram-pirenena sy ny komitin’ny fampihavanam-pirenena. Nandritra ny lanonana dia nanolotra vola 20 tapitrisa ariary ny filoham-pirenena, ho fampitaovana ho an’ny FPVM ary nisy ny fanomezana mari-boninahitra sy medaly mari-pankasitrahana ho an’ireo kristianina mivavaka ao. Tsy tongatonga ho azy ny zavatra tahaka izao, hoy ny resabe tetsy sy teroa ny faran’ny herinandro teo iny satria fantatra tsara ny tantaran’ny FPVM izay nisitaka avy tamin’ny FJKM ary nakatona fony fitondrana Ravalomanana. Manana ny olony eto Antananarivo sy amin’ny faritra maro manerana ny nosy ity Fiangonana ity ary tsy vitsy amin’ireo manampahefana no olony. Raha tsorina ny resaka dia tena nahazo sitraka sy tohana avy amin’ny fitondrana HVM ny FPVM ary azo antoka fa misy ifandraisany amin’ny resaka fifidianana ho avy io, na inona na inona ambara. Hita taratra indray eto ny fifandraisan’ny politika sy ny fiangonana. Araka ny fanazavana teny an-toerana dia ny volana jolay 2002 no niantombohan’ny fikarakarana ny tany nanorenana ny fiangonana, tsy vitsy ny olana nosedraina talohan’ny nahatongavana tamin’izao. Fety roa sosona no nankalazaina, dia ny fahavitan’ny trano ary ny nahatrarana ny faha-15 taonan’ny Fiangonana. Nanolotra ny fiarahabana nombam-pirariantsoa avy amin’ny filoham-pirenena ho an’ireo kristianina rehetra ao amin’ny FPVM ny praiminisitra. “Ny fahatongavanay maro izao, dia midika ho fahavononan’ny fitondram-panjakana hiara-miasa amin’ny FPVM. Ny Fiangonana dia andraisana ny fanofanana rehetra sy ny fitaizana amin’ny lafiny rehetra mba hahatonga olom-banona, ary izay fandraisana andraikitry ny Fiangonana izay no ilain’ny fitondram-panjakana ankehitriny”, hoy ny Lehiben’ny Governemanta.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.