Finoana

Fiangonana FPVM Noroahina ny pastera tao Moria Itaosy


  • Alatsinainy 01 Martsa 2021

Vaky tanteraka ny ady eo amin’ny Mpitantana foibe eo anivon’ny Fiangonana FPVM

 

 

 

 tarihin’ny Pasitera Joseph Randrianatoandro sy ny Mpitandrina Razanamahefasoa Joséphine izay nitondra ny FPVM Moria Itaosy, izay noroahina tsy ho mpitandrina ao amin’ity Fiangonana ity. Omaly alahady, nantsoina ho tonga hivavaka tao amin’ny PSPR Bemasoandro ny mpino tao Moria Itaosy, ka ny Birao Foibe no tonga teny an-toerana nandinika ny lamina sy ny hametrahana birao vaovao hitantanana ny fiangonana, ka rehefa milamina tsara vao ny raharaha dia miverina eny Moria ihany ireo mpino no mivavaka. Ny sabotsy teo, nilaza tao amina fahitalavitra tsy miankina iray ny Filoha Mpanorina ny FPVM Mpitandrina Joseph Randrianatoandro, fa nifona tamin’ny Mpitandrina Razanamahefasoa Joséphine izany izy. « Tsy marina ny filazana tao am-piangonana izay milaza fa nifona tamin’ny Pasitera Razanamahefasoa Joséphine i Dada Randrianatoandro. Tsy marina ihany koa ny filazana fa nomena alalana manokana ary nahazo valim-bavaka manokana. Tsy miova ny fanapahan-kevitry ny Birao Foibe FPVM, tsy mpitandrina FPVM intsony Razanamahefasoa Joséphine”, hoy ny Mpitandrina Joseph Randrianatoandro. Raha hiverenana kely ny tantara, dia tany ho any amin’ny taona 2002 no niforonan’ny FPVM rehefa nisy ny disadisa tao amin’ny FJKM Andravoahangy Fivavahana, ka nisitahan’I Pasitera Joseph Randrianatoandro ka nanagana FPVM alavaina amin’ny Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara. Toarin’ny olana teo anivon’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy tetsy Ankorondrano, dia mitranga ihany koa ny disadisa teo anivon’ny FPVM. Toa lasa rivotra mitsoaka tato ho ato ny fifanjevoana eo amin’ireo samy mpitarika ao anaty Fiangonana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT