Finoana

Fiangonana FM FOI Sady manabe no miaro ny tontolo iainana


  • Talata 03 Martsa 2020

Ankoatra ny maha mpitory ny filazantsara sy maha mpivavaka ny fiangonana FM FOI tarihin’ny Apostoly Benjamina dia manolo-tanana ny fanjakana ihany

 koa izy ireo amin’ireo karazana asa marolafy tokony hotanterahina eto amin’ny firenena. Ho an’ny asa fanabeazana ny zaza Malagasy, ohatra, dia nandray an-tanana ny fanavaozana  sy ny fanatsarana ilay EPP ao Ambohimamory Itaosy, eo akaikin’ny lapa foiben’ny fiangonana FM FOI izy ireo izay kasainy hotokanana ato ho ato. Tanjon’izy ireo ny hampirisihina ireo mpianatra hazoto hianatra hatrany, hahafahana mampihena ny tahan’ny fitsoahana an-daharana an-tsekoly. Tsy latsa-danja amin’izany ny fikajiana ny tontolo iainana hahafahana miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy hamerenana an’i Madagasikara ho Nosy maitso indray. Zanakazo kininina sy akasia marobe no novolen’izy ireo teny Andranomena, Arivonimamo ny faran’ny herinandro teo, notarihin’ny Apostoly Benjamina mivady. Olona miisa 5.000 no niara-nisalahy nanatanteraka izany niaraka tamin’ny fanamiana mitovy ka anisan’ireny ny fikambanan’ireo mpihaino ny Radio FM FOI. Vinavinaina hitohy hatrany izao hetsika fambolen-kazo   izao ary kasaina hiparitaka manerana ny Nosy manomboka amin’ny taona 2021 any amin’ireo toerana izay misy ny fiangonana FM FOI rehetra. Nanampy  maro tamin’ny fanomezana ireo  zanakazo  moa ny minisiteran’ny rano sy ny ala. Tsiahivina moa fa manan-danja amin’ny Baiboly ny hazo raha ny tenin’Andriamanitra no jerena satria dia heverina ho toy ny olona mihitsy izy ireny ka tsy tokony hotsinontsinoavina.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT