Finoana

Fiangonana FM FOI Mila an’Andriamanitra ny tokantrano Malagasy


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Toy ny fanaony isan-taona dia tsy namela mora foana ny andro Sabotsy fiandohan’ny taona ny fiangonana FM FOI, tarihin’ny Apostoly Benjamina. Fotoam-pivavahana lehibe izay

 

 nametrahany tanana ny mpino sy nitsofany rano ireto farany no nanokafany ny taona vaovao 2020 ny Sabotsy teo. Fantatra tamin’izany fa mpihainon’ny radio FM FOI ny an-tsasak’ireo mpino tonga tao Mahamasina toerana nanaovana ny hetsika raha mpino ao amin’ny fiangonana kosa ny an-tsasany izay misy hatrany France, Allemagne, Seychelles, Maurice ary La Réunion. Nambaran’ny Apostoly Benjamina nandritra izany fa mila an’Andriamanitra ny fiainan’ny isan-tokantrano. Hanomboka hirotoroto indray mantsy hoy izy manomboka amin’ity volana Janoary ity ka betsaka ireo hanadino an’Andriamanitra izay mety hitarika ho amin-java-kafa mihitsy. Ho an’ny fiangonana FM FOI manokana dia nomarihiny fa mila fitahiana avy amin’Atra ny mpino ao aminy. Mila fahendrena sy fahalalana ihany koa hoy izy hisorohana ny fisarahana ara-panambadiana sy ny olana eny anivon’ny fiaraha-monina izay tena maro sosona tokoa no tonga eny amin’ny tribonaly amin’izao fotoana izao. Miantso ny olona mba hivavaka amin’Andriamanitra marina araka izany ity Apostoly ity. Nomarihiny moa fa tsy manavaka finoana izy ireo ary vonona ny handray ireo mangetaheta na iza izy na iza.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT