Finoana

Fiangonana FM FOI Hanatanteraka fotoam-pivavahana lehibe rahampitso sabotsy


  • Zoma 10 Novambra 2017

Hanatanteraka fotoam-pivavahana lehibe ny fiangonana FM FOI rahampitso sabotsy 11 novambra. Manerana ireo fiangonana 180 eto Madagasikara no hanatanterahana izany ho fisaorana an’Andriamanitra noho ny fihenan’ireo olona matin’ny aretina pesta teto amintsika sy noho ny fahafoanan’ny valanaretina miandalana.

 

 Raha tsiahivina, nanatanteraka vavaka fifadian-kanina lehibe ity fiangonana iray ity nandritra ny firongatry ny pesta teo ho fiarovana ny ain’ny mpiara-belona. Tena nandaitra tokoa ilay izy tamin’ny ankapobeny ary samy nigoka tombontsoa ny rehetra. An-daniny, nisy ihany koa ny fitantanan’Andriamanitra manokana ity fiangonana iray ity ka nahafahany niaro ny mpanompony teny am-ponja ny pastera Benjamina, filoha mpanorina ny fiangonana. Raha tsiahivina, voaendrikendrika noho ny tany novidiany izay saika hanorenany trano fivavahana sy trano fitaizana zaza kamboty teny Fenoarivo ity pastera ity ka nanjary  tafiditra am-ponja nandritra ny 24 ora mihitsy. Efa nisy nivarotra  tamin’olon-kafa talohan’ny fiangonana FM FOI mantsy io tany io ka ireo tompony hafa  no nitory azy ireo. Rehefa nandinika anefa ny fitsarana, nanana taratasy ara-dalàna rahateo ny fiangonana dia afaka madiodio  i pastera ary efa manohy ny asany ankehitriny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT