Fiangonana FLM

Voafidy ho Filoha fanindroany ny Pastora Dénis Rakotozafy


  • Zoma 06 Septambra 2024

Voafidy fanindroany ho Filohan’ny FLM (Fiangonana Loteranina Malagasy

mandritra ny 4 taona ny Pastora Rev Dr Rakotozafy Dénis, araka ny fifidianana natao tany Taolagnaro omaly. Nahazo vato 399 tamin’ny mpifidy 518 izy nandritra ny fihodinana voalohany, ka lany avy hatrany satria tratra ny 2/3 ka nahavoafidy mazava ity Filoha am-perin’asa ity. Izy ihany koa moa no Filohan’ny FFKM sy ny FFPM am-perin’asa amin’izao fotoana izao. Raha hiverenana kely ny voka-pifidianana, dia 399 ny vato azon’ny Dr Rakotazafy Dénis, Dr Andrianjaka Olivier 104, Pastora Gilbert 9, Pastora Kotobesoa 8 Patsora Fidy 1, Parstora Takidy 1. Synoda 3 ihany koa no notsofin-drano omay tany Taolagnaro dia ny SP Onive sy SP Menagnara ary SP Betsiboka, raha ny vaovao avy tany an-toerana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT