Finoana

Fiangonana FLM Mitombo isa ireo Pastora manana “doctorat” amin’ny teôlôjia


  • Zoma 19 Febroary 2016

Tsy mitsaha-miitatra ary mihamafy orina ny sahan’Andriamanitra eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy.

 

Mitombo isa hatrany ireo Pastora FLM manana “doctorat” amin’ny teôlôjia. Vaovao nanatevina ny efa am-perinasa i Pastora Rakotonirina David, izay vao nahazo ny mari-pahaizana “Honorary Doctor fo Divinity” tamina oniversite tany Etazonia. Filoha am-perinasan’ny Synodam-paritany Antananarivo (SPAnta) izy, ary boky maro mikasika ny finoana kristianina no efa nosoratany sy navoakany. Hatao ao amin’ny FLM Ambatovinaky amin’ny alahady 21 febroary izao ny fanolorana an’io mari-pahaizana io, izay anasan’ny birao sy ny komitin’ny SPAnta ny kristianina rehetra hanotrona ny filohan’ny SPAnta, ny Pastora Rakotonirina David mianakavy amin’io andro lehibe amin’ny fiainany sy ny fiainan’ny FLM io.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT