Finoana

Fiangonana FLM Manameloka ny fampiadiana amin’ny Kristianina


  • Talata 04 Desambra 2018

Manoloana ny fihantsiana sy ny fampielezana vaovao tsy marina atao amin’ny haino aman-jery hanaratsiana ny FLM momba ny tany eny Androhibe hanorenana fiangonana sy tetikasa sosialy maro dia nanampy ny fanazavana efa nataony ny avy eo anivon’ny fiangonana loteranina malagasy.

 

 Nisy tokoa ny Didim-pitondrana laharana 20812/2016-M2PATE/SG/DGSF  tamin’ny 30 septambra 2016, izay manafoana ny Didim-pitondrana laharana 32.538/2012-VPDATE/SG/DGSF tamin’ny 28 desambra 2012 ka mamerina ny tany amin’ny Fanjakana. Efa nisy kosa ny didim-pitondrana n°93/16-CEP tamin’ny 26 oktobra 2016 navoakan’ny Filankevi-panjakana izay mampihantona ny fanatanterahana io didy io, hoy ny fanazavana. Manamafy izany fa mijanona amin’ny FLM ny tany. Mbola manamarina izany ny taratasy nomen’ny tale jeneralin’ny fananan-tany laharana 1293/2018 – MATSF/SG/DGSF, tamin’ny 28 oktobra 2018 sy ny fanamarinana fananan-tany tamin’ny  30 novambra 2018, izay eo am-pelatanana. Noho izany dia manamaloka ny fifandraisan’ny Kristianina Loterana Malagasy manerana ny Nosy amin’ny TGV-MAPAR, ny filazana vaovao tsy marina ataon’ny solombavambahoaka iray ao aminy. Manameloka ny fampiadiana andian’olona amin’ny Kristianina ny “FLM” sady miangavy ny fitondram-panjakana handray andraikitra satria tany tan-dalàna i Madagasikara.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT