Finoana

Fiangonana FJTSA7 Nakatona ny trano tao Fianarantsoa


  • Talata 19 Aogositra 2014

Ny tantara dia mbola mitohy ho an’ny pasitera Benjamina. Taorian’ny teto Antananarivo dia hiakatra fitsarana any Fianarantsoa indray ny tenany amin’ny herinandro ho avy io

Raharaha tokana ihany no mahavoarihorihy azy dia ny fibodoana tany sy trano natao fiangonana FJTSA7 any Fianarantsoa. Sazy mihantona telo volana no didy navoakan’ny fitsarana teto Antananarivo tamin’ny fiandohan’ny volana teo. «Diso ny filazan’ny pasitera Benjamina fa nandresy tamin’ny fitsarana izy ary niverina taminy madiodio ny tany sy ny trano”, hoy Razafimandimby tompon’ny tany sy ny trano natao fiangonana FJTSA7 any Fianarantsoa io ary anisan’ireo mpitory sy mpampianatra soratra masina tao amin’ity fiangonana ity. Milaza ny mpitory fa tsy mbola azo kitihina ny trano natao fiangonana fa miandry ny vokatry ny fitsarana ho avy. Milaza ny hitondra olona avy aty an-drenivohitra ny pasitera Benjamina amin’io fitsarana io, hoy ihany Razafimandimby. Tsy ataonay sakana ary tsy hatahotra velively izahay, hoy ity farany fa aleo ny marina no hipoitra. Pasitera Benjamina etsy an-kilany milaza fa tsy manan-javatra atahorana na ahiana izy ireo manoloana ity fitsarana any Fianarantsoa ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT