Finoana

Fiangonana FJKM Tsy hisy aloha ny Synoda Lehibe faha-19


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2020

Misy ny Hafatra Pastoraly navoakan’ny Fiangonana FJKM mahakasika ny fiainam-pirenena sy ny fiangonana, izay miantefa amin’ny ambaratongan-drafitra rehetra ao anatin’ny Fiangonana.

 

 

Nampahery ny rehefa ny Fiadidian’ny FJKM, nanentana ny fiangonana mba hiorina hatrany amin’ny finoana, namporisika ny rehetra mba hanefa izay azon’ny tsirairay atao amin’ny adidy miandry eo anatrehan’ny zava-misy. Tapaky ny Mpiandraikitra Foibe da, hiandry ny fiarafaran’ny fahamehana ara-pahasalamana araka izay holazain’ny fanjakana vao hatao ny fivoriana rehetra, mba hahafahan’ny mpikambana rehetra mampiasa feno ny zony hanatrika ny fivoriana izay hatao. Isan’izany ny Fivoriana manokan’ny Mpiandraikitra Foibe ho fanomanana ny Synoda Lehibe tokony natao ny volana jona teo; ny Fivorian’ny Synoda Lehibe tokony hatao ny 12-19 aogositra izao,…. Na hifarana aza anefa ny fahamehana ara-pahasalamana dia hojerena ny hoenti-manana ka ny olona no hotsinjovina aloha vao ny fivoriana, izany hoe: hampiasaina hamenoana ny fiveloman’ireo izay voatery nandrray fivelomana ampahany noho ny fahamehana ara-pahasalamana aloha ny eo an-tanana, vao hojerena ny holaniana amin’ny fanatanterahana fivoriana. Manohy ny asany avokoa ireo tompon’andraikita rehetra miasa ankehitriny, na ireo tokony nanaovana fankatoavana tamin’ny aprily na ireo tokony hohavaozina amin’ny Synaoda Lehibe mandra-pahavitan’ny Synoda Lehibe laharana faha-19 izy ireo. Nanetana ny rehetra haharitra hatrany amin’ny fivavahana amin’ny endriny samihafa ny Fiangonana. Tsaroana sy ampaherezina manokana amin’izany ny Sekoly FJKM sy ireo toeram-pitsaboana tantanan’ny Fiangonana, hoy io Hafatra Pastoraly io.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT