Finoana

Fiangonana FJKM Niala voly tao anatin’ny fitoriana ny filazantsara


  • Alatsinainy 14 Mey 2018

Mitohy hatrany ny asa tanterahin’ny fiangonana Fjkm ho fanavotana ny fanahin’ny mpiara-belona rehetra ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : vontosy filazantsara i Madagasikara.

                         

Nanatanteraka hetsika fitoriana ny filazantsara sady fialamboly tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina izy ireo ny sabotsy teo ka nambaran’ny filohan’ny FJKM ny pastera Ammi Irako Andriamahazosoa nandritra izany fa raha hanatratra ny vina mendriky ny famontosana filazantsara ny Nosy isika dia tsy maintsy mitady fomba hafa sy miavaka na vaovao akory aza izay tsy mbola natao kanefa azo hatao mba hanatrana ny hafa ka hahatsapan’izy ireny fa ny filazantsara dia azo iainana  amin’ny fiainantsika iray manontolo. Fitoriana ny filazantsara no nisantarana ny fotoana niompana tamina lohahevitra telo dia ny hoe : Aoka hino an’i Jesosy Tompo ianao, aoka hiombona amin’ny fiangonana koa ary hahay hitondra tena tsara. Nitohy tamin’ny lalao baolina kitra nihaonan’ireo vadina  mpitandrina sy ny mpitandrina ary ny  tanora Kristianina ny hetsika. Lalao am-pirahalahiana no natao ka anisan’ny nomen’ny fiangonana Fjkm toerana manokana ny vehivavy noho izy ireny manana andraikitra goavana amin’ny fampandrosoana ny firenena sady vidin’ny ran’i Kristy. Vokatra azo : Vehivavy mpitandrina sy vadina mpitandrina 0 – 4 Vehivavy Fjkm Ambohipo ; Mpanao gazety 2 – 0 Mpitandrina Fjkm 1 ; Ben’ny tanàna 3 – 0 Mpitandrina Fjkm 2. Ny hanehoana amin’izao tontolo izao moa fa azo atao tsara ny miaina amin’ny maha Kristianina amin’ny sehatra rehetra no tanjona. Tsy voatery ho any am-piangonana ihany fa azo atao tsara na dia eny am-pilalaovana baolina aza sady migoka fifaliana. Mikasika ny raharaha politika misy ankehitriny moa dia mijoro ho vavolombelona hatrany ny fiangonana Fjkm, hoy ny filohany koa  miantso ny rehetra mba hifototra hivavaka. Toraka izany koa ireo mpifanandriana mba hahay hifandamina hisorohana ny korontana sy ny fifandranitana. Nampifaly havanja ny mpino koa ny fiseharan-dRija Rasolondraibe tao Mahamasina. 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT