Finoana

Fiangonana FJKM Nanomboka omaly ny Herinandro Sambatra


  • Talata 19 Desambra 2017

Toy ny fanao isan-taona hatrizay dia nanomboka omaly alatsinainy 18 desambra 2017 manerana ny fiangonana FJKM eto amintsika ka tsy hifarana raha tsy ny zoma 22 desambra izao ny hetsika “Herinandro Sambatra 2017”.

 

 Fanompoam-pivavahana fiderana an’Andriamanitra mazava loatra no fototry ny hetsika miaraka amin’ny fankalazana ny nahaterahan’i Kristy Mpamonjy. Hoan’ny fiangonana Fjkm Filadelfia Andranoro manokana dia nambaran’ny mpitandrina ao aminy, ny pasitera Randriamahasoa Harimbola, fa fanomezana sehatra manokana an’ireo sampana ao aminy ihany koa ity hetsika ity. Nisafidy ihany koa ity fiangonana ity ny hikarakara hetsika famaranana ny taona na “réveillon” ao am-piangonana hiarahan’ny kristianina ao aminy sy ireo vahiny ihany koa miara-mivavaka hiandrasana ny taona vaovao 2018.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT