Finoana

Fiangonana FJKM Nalaza tampoka ny Pastera Zaka


  • Alatsinainy 16 Janoary 2023

Tena nahitsy, tsy nivilivily ary nazava tsara ny hafatra tao anatin’ny toritenin’ny Mpitandrina Andriamampianina Zaka Hary Masy, Filoha mpanampy-Foibe FJKM omaly teny Antsonjombe. Mpaminany,

mitondra ny hafatra avy amin’Andriamanitra, araka ny soratra masina sy ny fitarihan’ny fanahy masina ny Fiangonana ; tsy dia misy resaka hoe hanafintohina na hamalifaly an-dranona na ranona.Ny hafatra no ampitaina dia izay. Ny mahalala tsara ny foto-pinoana protestanta dia tsy vahiny amin’izany, ary tsy hoe tamin’iny teny Antsonjombe iny ihany no tahaka ireny ny toriteny fa matetika isaky ny alahady any am-piangonana dia misy hafatra mafonja hatrany. Ary raha momba ny Andriamampianina Zaka Hary Masy indray dia efa an-taonany maro izy no mitory teny sy manazava ny tenin’Andriamanitra amina haino aman-jery, ary efa tahaka iny teny amin’ny Coliseum iny foana ny fomba fampitany hafatra fa tsy hoe vao tamin’ity 2023 ity izy no nanao tahaka ireny. Ny tsara dia tena nisy ireo manampahefana nahatsiaro ho voadona mafy angamba, ka ny alahady atoandro ihany dia efa nimenomenona tao amin’ny facebook, tahaka ireny very entana ireny. Ary nanomboka iny omaly iny ihany dia nalaza tampoka ny pastera Zaka, izy indray no lasa fototry ny adihevitra. Ity mpitandrina ity izay anisan’ireo mananany maha izy azy eo anivon’ny Fjkm. Raha ny tena marina anefa dia mpitondra hafatra fotsiny ihany izy, ary tsy mifanalavitra amin’ireny ny hafatra avoakan’ny FFKM rehefa raha miresaka ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka izy, tsy ambanin’zany ihany koa ny hafatra mafonja avy amin’ny fiombonamben’ny Eveka eto Madagasikara rehefa miteny izy ireo.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT