Finoana

Fiangonana FJKM Nahazo mpitandrina 111


  • Alatsinainy 30 Jolay 2018

Tontosa soa aman-tsara omaly alahady 29 jolay teny Antsahamanitra ny fotoam-pivavahana goavana sy lanonana ara-pinoana lehibe ho an’ny fiangonana FJKM nanosorana mpitandrina miisa 111 sy mpampianatra 53, izay fahasoavana lehibe ho an’ny fiangonana.

 Toy ireo olobe samihafa sy ny mpino maro eo anivon’ny FJKM, dia tonga nanotrona ity fanompoam-pivavahana "fanirahana mpiasa vaovao", ity i Marc Ravalomanana mivady omaly tolakandro amin’ny maha Filohan’ny jobily fankalazana ny faha-50 taona azy. Zava-dehibe amin'ny finoana ny fananana olom-boahosotra toa azy ireo, hoy i Marc Ravalomanana, ka nitsodrano azy ireo hahefa be amin'ny finoana ary hahavita ny asa nanirahan'ny Tompo azy ireo. Lohahevitra noraisina moa ny hoe: "... Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao" Apokalipsy 2 : 10.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT