Finoana

Fiangonana FJKM Mitsoka ny rivo-panovana


  • Zoma 26 Aogositra 2016

Nikatona tamin’ny alalan’ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny Biraon’ny mpiandraikitra Foibe hitantana mandritra ny 4 taona ny Sinaoda lehiben’ny Fiangonana FJKM andiany faha-18 natao tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra.

Omaly tamin’ny 3 ora maraina vao vita ny fifidianana. Mitsoka ny rivo-panovana satria dia vaovao avokoa ny 5 amin’ireo 6 voafidy handrafitra ny Birao foibe FJKM. Ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, ao amin’ny fitandremana FJKM Androndra Fahasoavana no voafidy ho filohan’ny FJKM. Faly sahirana ny mpino ao Androndra. Faly tamin’ny nahavoafidy ny Mpitandrina Irako Ammi ho filohan’ny FJKM, sahirana koa anefa fa mbola betsaka ireo tetikasany tao amin’ny fitandremany ao Androndra, toy ny fanitarana ny fiangonana nefa izy ity lasa any amin’ny andraikitra hafa sady makadiry. Ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi no filoha fahadimy hitantana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Miray feo ny mpino FJKM, fa sady mpitarika mahay no Raiamandreny am-panahy na « Leader Spirituel » ity farany. Filoha mpanampy mpitandrina ny pasitera Zarazaka Jean Louis, izay hany birao teo aloha tafaverina amin’ny toerany. Filoha mpanampy Laika Randriamamonjiarisoa Georges Henri, mpiandry talen’ny PSDR teo aloha. Mpitahiry vola i Andrianarivelo Olivier, izay efa niandraikitra io toerana io ihany tany aloha tany. Roa ny mpanolotsaina dia ny mpitandrina Andriamampianina Zaka, mitondra ny fitandremana Fjkm Tanjombato Maritiora sy Rakotomandimby Benjamin, diakona, Mpitsara ao amin'ny Fitsarana tampony. Hafatra voalohany nataon’ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi taorian’ny nahavoafidy azy ny hoe : “Mba mahalala menatra na oviana na oviana mitondra ny anarana hoe Fiangonan’i Jesoay Kristy eto Madagasikara isika kanefa ny ataontsika, ny fitenintsika, ny fihetsitsika dia tsy araka an’i Jesosy kristy”. Fantatra nandritra ny famaranana ny sinaoda lehibe tao Antsirabe ity fa hatao amin’ny volana oktobra ho avy izao ny fifidianana izay ho Sekretera jeneraly vaovao eo anivon’ny Fiangonana.

Toky R.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT